MIANTSO ANKAZOBE

Nanjavona ilay vehivavy nanary ny zanany tao an-kabone


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Mbola misy mihitsy ireo Reny tsy mataho-tody eto amintsika.

Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no fantatra fa nahavita namono nahafaty ny zanany kely vao menavava tao amin’ny Fokontany Ankeribe, kaominina ambanivohitr’i Miantso, distrikan'Ankazobe afak’omaly Alatsinainy 04 Septambra. Nariany tany an-kabone io zaza io raha vantany vao teraka indray andro. Tsikaritry ny mpiray vodirindrina anefa ny tsy nahatao io zaza io intsony ka raikitra ny fanadihadiana. Nitsoaka niala tao an-tanana ilay vehivavy vokatr’izany. Ny zandary noho izany no nanery ireo fianakaviany mba hilaza ny marina ka izay no nahafantarana fa efa nihosona maloto tao an-kabone ilay zaza no sady efa tsy nisy fofon’aina intsony. Zanany fahaefatra moa io nariany io raha araka ny vaovao voaray izay mbola tsy fantatra ihany koa ny Rainy. Raha araka ny fantatra moa dia nentin’ilay renim-pianakaviana nandositra niaraka taminy ilay zanany fahatelo izay vao 2 taona sy tapany monja.
Nangonin’i Pati
Legende : Tanana kely fa malaza ratsy ny tananan’i Miantso !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT