Actualités

Mialy Rajoelina Nanameloka ireo fanararaotana ara-nofo tato ho ato


  • Talata 10 Novambra 2020

Nivoaka tamin’ny fahanginany, omaly, Rtoa Mialy Rajoelina, taorian’ireny trangana fanolanana natao tamin’ny zaza tsy ampy taona, izay nitranga tato ho ato ireny.

 

 

 

 Nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny ivon-toerana miady amin’ny herisetra eny Mahamasina, nijoro herintaona lasa izay, ny ampahany betsaka tamin’ny lahateniny. Mihaino sy manampy amin’ny torohevitra ity ivon-toerana ity. Araka izany dia mpisolovava ao, misy mpitsabo sy psikôlôgy afaka mandray an-tanana avy hatrany, ihany koa, ary maimaimpoana izany rehetra izany. Ankoatra izay dia nampahatsiahy Rtoa Mialy Rajoelina fa efa mijoro ankehitriny ny fitsarana manokana miady amin’ny herisetra. Azon’ireo niharan’ny herisetra atonina ihany koa ny « brigade féminine de proximité » an’ny polisim-pirenena ary ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Voalazany fa misy fiofanana omena ireo vehviavy na lehilahy niharan’ny herisetra, mba ahafahan’izy ireo miverina amin’ny fiarahamonina sy manana foto-pivelomana. Nanameloka ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona moa ny vadin’ny filoham-pirenena tao anatin’ity horonan-tsary navoakany tao anatin’ny pejy Facebook-n’ny Association Fitia ity. Nanentana ny mba hahasahian’ny olona niharan’ny herisetra, na ny fianakaviany, mba hitory ihany koa izy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT