Izany no antony namoahan’ny minisiteran’ny vola sy teti-bola fanambarana manery ireo mpandraharaha mba handrotsaka ny ampahan’ny vola vahiny azony ao amin’ny banky foibe. Manana olana goavana noho ity tsy fahampian’ny tahiry vola vahiny ao amin’ny banky foibe ity ireo orinasa mividy sy manafatra solika avy any ivelany satra tsy maintsy vola vahiny no ampiasaina.Fantatra fa 500 tapitrisa dolara ny vola vahiny mihitsoka any amin’ireo banky tsotra eto amintsika amin’izao fotoana.
Mandeha ankehitriny ny fifampiraharahana eo amin’ny fanjakana sy ireo orinasa mpandraharaha amin’ny solika mba hikarohana vahaolana amin’ny famatsiana gazoala ny jirama.
Amin’ny 2016 no hotanterahana ny fanisam-bahoaka fahatelo eto Madagasikara. 43 tapitrisa dolara ny vola holaniana amin’izany. Ny vola martsa 2015 no hidina ifotony eny amin’ny fokontany mba ampahafantatra ny vahoaka ny fisian’izany tetikasa goavana izany ireo tompon’andraikitra. Tsy isa tena marina fa vinavina ihany ny hoe 22 tapitrisa ny malagasy.
Nisondrotra 150Ar isaky ny kapoaka ny vidim-bary teto Antananarivo renivohitra tao anatin’ny herinandro.
Tanjontsika amin’izao fotoana ny famerenana indray ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana, hoy ny minisitra Noéline Ramanantenasoa tany Nosy Be
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.