« Ny isavorovoroan-kilatoana », hoy ny fiteny Malagasy. Hisavorovoro hafiriana anefa vao hahatsapa tena fa tokony hilamina ny mpanao politika eto amintsika ?
Efa ela ihany izay dimy taona niadiana seza nikatsahana tombontsoan’olom-bitsy izay fa dia io mbola miseho masoandro io ihany ireo mersenera politika tsy te hahalala ny tombontsoa iombonana fa dia mahita zavatra foronina foana hiarovana ny azy manokana. Tsy efa mazava ve ny hafatra avy amin’Atoa Marc Ravalomanana ka na manaiky an’io na mandà fa tsy misy ny marimaritra iraisana mbola iadian-kevitra indray. Efa fanta-poko fanta-pirenena ireo TIM mersenera, nivaro-tena mba hahazoana seza nandritra ny fitondrana tetezamita, dia indreo fa manomboka miseho masoandro indray ry zareo ankehitriny. Ireo mpitolona tena zanak’i Dada dia tsy mankasitraka intsony ny hiara-dia amin’ireo mersenera politika ireo. Asa izay tena fanapahan-kevitra farany fa raha izao fahitana azy izao aloha dia mety hanahirana ihany ity raharaha ity raha tsy voavaha haingana satria ho avy ny fifidianana kaominaly izay tsy maintsy hotanterahana amin’ity taona ity raha ny fanambaran’ny praiminisitra tamin’ny herinandro. Tsy vao izao i Marc Ravalomanana no niantso ireo ondry nania mba hiverina ao am-bala, saingy ny akoho tsy naneno tahaka izay ve tsy efa lanin’ny kary e ? Tsy efa mazava ihany ve ny zava-nitranga teo fa nisy tamin’ireo zanaka tao an-trano no niray petsapetsa tamin’ny fitondrana FAT mba hanakanana ny fodian’i dada an-tanindrazana ? Avy eo nigalabona ery ireto mersenera mpamadika palitao ireto rehefa nahazo seza ary nanitrikitrika mihitsy aza ny ankamaroany fa tsy mbola laharampahamehana aloha izany fodian’i Marc Ravalomanana izany. Tsy mora ny asa miandry ireo mpitarika ny TIM tena izy satria be loatra ny ahiahy sy ny resaka manjombona momba ny fiainan’ny antoko amin’ny ankapobeny. Hoy anefa ny ohabolana : «aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka» ; anjaran’ireo tompon’andraikitra ny mandanjalanja tsara ny fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisina e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.