MENAKA MAHAGAGA

Misy laharam-pinday ireo tena izy


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Efa misy misoloky ihany koa amin’izao ny menaka mahagaga fahita eny an-tsena eny.

Nambaran’ny mpamokatra azy Razafindratsimba Rondro omaly fa ilay misy laharam-pinday eo ivelan’ny boaty no tena izy sy novokariny. Avy tamin’ny fanasitranana azon’ny zanany 3 taona tratran’ny aretina asmatika no nambarany fa antony nanosika azy hamorona ity menaka mahagaga ity. Mpitsabo nentim-paharazana ny Renibeny ka ity farany no nanoro azy ny ranona ravintsara nanasitranana io zaza 3 taona io. Nampisotroana ilay zaza no sady norina ihany koa. Nakambany tamin’ny solila izany taty aoriana antony mahatonga ny menaka mahagaga ho lasa masiatsiaka raha ny nambarany rehefa hohanina. Notsiahiviny moa fa resaka fahasalamana ilay menaka mahagaga noho izany tsy tokony havadiky ny sasany ho lasa hanihany na kilalao anaty hira.
Pati
Legende : Ity vehivavy tsara tarehy ity no mamoaka ilay feo ity ilay menaka mahagaga re eny rehetra eny fa tsy dadabe kely araka ny fahenoana azy akory !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT