Mena-bato lafo vidy sy maha mpanan-karena

Efa nahazo 20 tapitrisa Ar tao Toamasina ireo mpisoloky


  • Talata 13 Febroary 2024

Tratry ny velam-pandriky ny zandary ny olona telo malaza

mpisoloky ao Toamasina ao mampiresaka sy manambaka ireo olona te hanan-karena tampoka. Milaza fa manana mena-bato lafo vidy tsara kalitao izy ireo izay alaina avy any ambanivohitra lavitra. Misandoka ho zandary ny iray ary misy tera-tany vahiny miara-miasa aminy hoy hatrany izy telo ireo. Milaza ho efa nanan-karena avy tamin'io mena-bato io izy ireo. Mpandraharaha iray no efa nazahoan’izy ireo vola mitentina 20.000.000 Ar,ary efa saika handeha hisoloky mpandraharaha iray hafa izy ireo no izao tratran'ny zandary izao. Rehefa niantso ilay mpandraharaha iray saika hosolokiany indray izy ireo dia niantso ny zandary avy hatrany ilay mpandraharaha ny 08 Febroary . Natao ny vela-pandrika ka tra-tehaka izy telo ireo ny 11 Febroary teo. Asidra vidin'ireo olon-dratsy ireo ao Bazary kely moa ilay lazainy fa mena-bato sarobidy hanambakany olona io.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT