Zava-doza no nitranga teny Ankinininabe Andramahavola Ambohidrapeto ny sabotsy teo. Tovolahy iray nitondra ny anarana hoe Solo 30 taona no nipoahan’ny « gaz » teo am-perinasa.
Nijininika ny ra, ary rotidrotika sy tapaka tanteraka ny tongotra an-kavanan’ity tovolahy ity, nipotsaka ihany koa ny tsinainy. Mpiasa amina garazy iray eny an-toerana i Solo ary nikarakara fiara sy nanao soudure mihitsy izy tamin’io sabotsy maraina io. Raha ny fitantaran’ny olona nanatri-maso sy ny teny amin’ny manodidina dia nisy « fuite » ny gazy, izany hoe nisy ny etona tafavoaka. Soudure moa no atao ka vao nisy pitik’afo kely monja dia ampy nipoahan’ilay bolongam-by mitahiry ilay « gaz ». Teo akaiky teo ilay tovolahy ka izy no nipoahan’ny etona sy nipitihan’ny piti-by teo. Nihovitrovitra ny tany ary tena mafy ilay fipoahana satria nahare azy na ny olona mipetraka efa ho 500 metatra miala ilay garazy kely nitrangan’ny loza aza. Nifamonjen’ny manodidina ity tovolahy ity nentina haingana tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ainy. Ny tena mampalahelo, hoy ny fianakaviany dia tokony hanambady amin’ny sabotsy 28 oktobra ho avy izao, izany hoe hampiaka-bady ny olon-tiany i Solo no izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Heverina fa tokony hampisaintsaina ny rehetra ny tranga tahaka izao satria misy ny fenitra sy fepetra tsy maintsy arahana amin’ny asa toy itony ary tsy maintsy misy fiarovan-tena. Tokony hisy toerana voatokana sy voafehy hipetrahan’ny fitaovana saropady fa mety zavatra kely tsy voatandrina no hiteraka loza amin’atambo hahazoana takaitra na hahafaty mihitsy aza.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.