Me Randrianarivelo Désiré
Mpisolovava tokan-dRavalo
Mpisolovava, mpahay lalàna ary efa filohan’ny Sendikan’ny mpitsara (SMM) nandritra ny fitondrana Ravalomanana moa i Me Randrianarivelo Désiré, notendrena hisahana ny minisitry ny fitsarana tao anatin’ny governemanta Manandafy Rakotonirina tamin’ny aprily 2009 ary anisan’ireo sokajiana ho tena mahay eto Madagasikara. Nasehon’ity farany ny mpanao gazety omaly ny taratasy “Acte de droit” na fanomezan-dalana manokana voasonian’i Marc Ravalomanana tamin’ny 8 mey 2014. “Tsy misy mahazo miteny intsony amin’ny anaran’i Marc Ravalomanana eo amin’ny lafiny lalàna, hoy izy, raha tsy ny tenako irery ihany manomboka izao”. Mbola manohy ny andraikitra maha mpitondrateny ara-politika ny ankolafy Ravalomanana kosa anefa ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa kestora faha-III eny amin’ny Antenimieram-pirenena ary filoha mpitarika ny ankolafy hatrany koa ny minisitra Roland Ravatomanga
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.