MCC-Mada

«Voahitsakitsaka ny zo fototry ny olompirenena rehetra»


  • Zoma 10 Oktobra 2025

Nanambara ny fijoroany ny MCC-Mada na

Mouvement citoyen pour le changement de Madagascar», izany hoe, hetsiky ny olompirenena mila fanovàna an’i Madagasikara. Karazan’olona maro toy ny mpianatra, mpiasa, mpitarika fikambanana, olompirenena avy amin’ny sehatra marolafy no mandrafitra ity hetsika ity, hoy ny fanazavàna. Mijoro izany ankehitriny hanohana ny tolona tarihin’ireo tanora mivondrona anatin’ny antsoina hoe «Génération Z». Miantso ny rehetra, hoy izy ireo, ho avy hanatevin-daharana ny tolona misy hirosoana any amin’ny filaminan’ny firenena faran’izay haingana satria tolona iaraha-manana io. Samy lasibatry ny tsy fihetezan’ny fitantanana misy eto amin’ny firenena isika. Maro no miaradia anatin’izao tolona izao ary eny an-kianja no inoana fa hifankahitàna raha toa miara-tsy milavo lefona isika rehetra. Efa teny an-kianja izahay ary lamina teny no nahafahana nanangana izao hetsika izao rehefa nifamory ny rehetra. Ho hita eny an-kianja foana izahay manomboka eto. Tsy tomponandraikitra amin’izay fiantsoana dinika ataon’ny filoham-pirenena any izahay fa ny hitanay aloha dia voahitsakitsaka eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao ny zo fototra mahaolona, ny zo fototry ny tanora, ny zo fototry ny olompirenena rehetra mihitsy, hoy hatrany ny MCC-Mada.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT