Actualités

Mbola tsy nisy tao anaty ny 60 taona Vahiny no tompon’ny seranana eto…


  • Talata 18 Aprily 2023

Manomboka sosotra sy mimenomenona ireo mpanondrana entana amin’ny fadin-tseranana Malagasy noho ny fisian’ny teratany vahiny manjakazaka sy voalaza fa toa mibako ambongadiny io sehatra io.

Raha handeha hanondrana entana ho alefa any ampita, dia teratany vahiny iray no isan’ny tena tompon’ny fanapahana ny zava-drehetra, hoy ny fanamarihana. Tsy afaka miteny ireo mpiasan’ny fadin-tseranana Malagasy, fa toa manaiky tsy fidiny. “Mandehana resaho ny debanay”, hoy ireo mpiasa Malagasy nanondro ilay vahiny. Voazanaka tanteraka ve ka hatramin’ny asam-panjakana avy no omena ny vahiny? Tsy misy Malagasy zoky sy Raiamandreny mahafehy ve no tsy maintsy vahiny? Fadin-tseranana izany, dia tena zavatra stratejika be amin’ny toekarena, ka vahiny ve izany no omena sehatra hanao azy, hanjakazaka sy hamoritra ny Malagasy izay lasa tompony mangataka atiny. Tsy misy resaka fankahalana vahiny eto, ary zony tanteraka ny mandraharaha sy mampiasa vola eto amin’ny fomba ara-dalàna sy manaja ny Malagasy, tokony ho anatin’ny fiarahamonina tsy misy rahoraho. Manahirana ary mampiahiahy kosa raha any anaty rafitra sy fitantananan-draharaham-panjakana no omena hotantaniny, indrindra fa sehatra izay betsaka ny Malagasy mahavita azy, mety mahavita tsara kokoa aza.
MILA FITIAVAN-TANINDRAZANA
Ekena mety manana ny traikefany ilay teratany vahiny manjakazaka, saingy mety tsy hitovy mihitsy ny làlan-tsaina satria ny haka tombony sy hanabe voho ny azy sy ny fireneny na hanome tombondahiny ny olony aloha no tanjony, ary hitsetsitra sy hamoritra ny Malagasy, raha raisina amin’io fitarainana eo anivon’ny fadin-tseranana io. Ny zavatra misy eto ihany koa na asa mitovy izao ihany aza, na fahaiza-manao mety mitovy, na vokatry ny asa mitovy,… lafo lavitra noho ny karamana manam-pahaizana sy teknisianina Malagasy no hanaramana vahiny. Tsy endrika fanambaniana ny fahaiza-manaontsika ve izany? Raha mivelatra kely amin’ny fandraharahana sy tsenambaro-panjakana, betsaka ny orinasa sy mpandraharaha Malagasy mahavita zavatra ka rehefa tena tsy mahita izay mahavaly ny fepetra eto vao miantso vahiny. Azo atao ihany koa ny manovo sy mifanakalo traikefa na “transfert des compétences” sy ny maro hafa. Manana olona manam-pahaizana maro amin’ny sehatra marolafy isika, manana vokatra, manana akora,… fa ny fampiasana fa ny famadihana azy ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana no mila jerena. Mila apetraka ny tena fitiavan-tanindrazana ara-toekarena na “patriotisme économique” raha te ho tafavoaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT