be, fikasihan-tanana,… » Voarohirohy
amin’ny afera fangalarana tany maro be izay misy itorian’olona azy, ary misy amin’ireo mbola narahina fikasihan-tanana ka izany no anisan’ny fitoriana eny anivon’ny Fitsarana », hoy ny fanazavana fohy nataon’ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo omaly mikasika ny depiote voafidy teny amin’ny boriborintany faha-5. Nanamafy noho ny Minisitry ny Fitsarana, fa mbola tazonina atao famotorana mahakasika ny raharaha halatra tany marobe i Naivo Raholdina, izay voasambotra ny 2 mey 2026 teo, rehefa avy sesin-tany politika sy voalaza fa nitsabo tena. Ity farany izay Filohan’ny kaomisionina mikasika ny fananan-tany teo anivon’ny Antenimierampirenena. Asa ihany koa anefa andaniny hoe : nanao ahoana ny fanesorana ny « immunité parlementaire » izay raha hiverenana, dia nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko ny 04 mey fa mbola tsy naharay taratasy avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Fitsarana mangataka ny hanesorana an’izany izy ireo, ka tsy misy raharaham-pitsarana afaka mandeha raha tsy misy io. Novalian’ny Minisitry ny Fitsarana fa efa nisy fangatahana nalefa fa ny andro faran’ny herinandro dia mety tsy hitan’ny PAN hoe efa tao amin’ny biraony tao. Nisy moa ny filazana fa nitsabo tena tany ivelany sy natao fandidiana i Naivo Raholdina. « Ny Fanjakana Malagasy no nitsabo azy », araka ny filazan’ny PAN. Somary manaitra ihany hoe tena ny Fanjakana Malagasy ve no tokony ho niantoka ny fitsaboana azy ? Sa ny antenimierampirenena amin’ny maha mbola depiote an’i Naivo Raholdina no tiana holazaina teto ? Ny sary niseho aloha, dia tsy mba anisan’ireo voakitikitika na nokitikitihina ny toeran’i Naivo Raholdina raha nisy depiote hafa niongana avy hatrany. Raha niverina teto izy, dia ny avy amin’ny arofenitra eo anivon’ny antenimierampirenena no nandray azy teny Ivato. Mazava raha raisina amin’io fa nanana antoka sy natoky fa tsy ho voakitika i Naivo Raholdina, saingy nisy fitsimbadihana tampoka. Asa ihany koa anefa hoe : Handeha hatramin’ny farany ve ny raharaha ? Heverina fa tsy hijanona amin’ny resaka aferan-tany ihany fa teo ireo herisetra maro, fanagadrana olona tsy ara-drariny,… Asa hanao ahoana ihany koa ny raharaha mikasika ireo depiote hafa toa an’i Lanto Rakotomanga izay notorian’ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia ? Hisy ihany koa ny fanadihadiana an-dry Rafidimanana Désiré izay nanarama « gros bras » nihetraketraka nanao herisetra tamin’ireny hetsiky ny Collectif des candidats ny faramparan’ny taona 2023 ireny ? Ahoana ireo dosie maro mikasika minisitra teo aloha lasa depiote ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.