Mbola maizina ny raharaha Ambohimalaza

Tafiditry ny sera avo lenta filalaovana tovovavy ?


  • Talata 22 Jolay 2025

Iray volana sy herinandro aty aoriana, tsy tena misy mangirana ny raharaha Ambohimalaza

nisiana faty olona hatrany amin’ny 31 isa. Ny tena zava-dehibe dia ny fanavotana ny ain’ireo marary, mahafaly ny fisian’ireo sitrana, fa mampahonena ihany koa hoe maro be no tsy tafavoaka velona. Na inona na inona ihany koa anefa seraseran’ny mpitondra dia miharihary fa tsy tena nahomby fanavotana ain’olona. Raikitra ny fanetsehana ny dosie, kanefa ahiana tsy hisy marina tena hivoaka ao anatin’ity raharaha ity fa fampanginana faran’izay henjana mba hifehezana ny toe-draharaha noho ny fiatrehana ny fivoriamben’ny SADC afaka iray volana latsaka no tena handeha, ka ezahana fehezina izay rehetra mety ho pitik’afo hanembatsembana izany. Raha tsy dia nasiana resaka tao anatin’izay fotoana izay, natodika any amin’ny hoe : fanadihadiana ny tompom-pety sy ny fianankaviany indray ny raharaha, rehefa avy naompana tany amin’ny drindrangilon’ny hoe : « tsy botulisme » fa « empoisonnement » na fanapoizinana, dia mitodika kokoa amin’ny raharaha famotorana sy fakana am-bavany. Nanomboka ny takarivan’ny alahady no natao andrimaso teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava tetsy Fiadanana ny renin’i Fenohasina, ilay tompon’ny tsingerin-taona. Voalaza fa nanomboka ihany koa ny fakana am-bavany an’i Fenohasina rehefa nambaran’ny mpitsabo fa efa azo hanaovana fanadihadiana. Efa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tany na IST. Tsy mbola tazana teny Fiadanana anefa i Fenohasina hatramin’ny 6ora hariva, raha anisan’ny efa tazana sy nampidirina tao kosa ny olona roa voarohirohy sy efa naiditra am-ponja vonjimaika, dia vehivavy iray antsoina hoe : Clarisse sy ny iray izay nolazaina fa ombiasa. I Fenohasina dia tapa-bolana teo ho eo no tsy re tsaika intsony rehefa nafindra toerana rehefa nisy naka sary tao amin’ny Hopitaly. Tsy Mbola betsaka ny resaka mifamahofaho ary mbola mampametra-panontaniana hoe : tena hivoaka ve ny marina amin’ity raharaha ity ?

NISY RESAKA FILALAOVANA SY FANERANA TOVOVAVY ?
Misy toe-javatra hafa heverina sy ahiana ho mifamatotra amin’ity raharaha ity izay tsy azo hamaivanina. Manomboka misy feo mivoaka amin’ny fanahiana fahatafidirana raharaha filalaovana tovovavy amin’ny olona ambony sy manam-bola. Mety ho tonga any amin’izany ve ny fanadihadiana lalina ? Eo no mety hidiran’ny resaka hoe : « Papasôsy ». Voaresaka ohatra tao anatin’io raharaha io ny fisiana hoe : fiara no fanomezana ho an’ilay tovovavy tompona tsingerin-taona. Iza sy avy aiza ny mpanome raha tena izay tokoa? Ilay voatonontonona ve sa olon-kafa mihitsy ? Misy ifandraisany amin’ny mety ho fanerana tovovavy amin’ny mpanam-bola sy olona ambony ve ireo efa voabeda ka mety hampanginina? Nisy nokasaina hampidirina amina tambajotra ve ireo lasibatra ? Tafiditry ny fifampialonana raha tena hoe : famosaviana tokoa ? Tena misy ifandraisany tamin’ny hoe : fisiana poizina niniana natao noho ny resaka fifampialonana ara-pianankaviana tokoa ve sa sanatria misy zavatra roa tiana hosaronana dia ny : fanahiana fa mety ho « botulisme » ny tranga izay misy itoviana ny teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ny faritra hafa toa an’Ambositra ? Eo koa ny hoe : sao hipoaka ny afera mikasika filalaovana tovovavy ? Naninona no nihazakazaka be ny raharaha fitoriana rehefa nisy tompon’andraikitra ambony voalaza fa tratry ny fanalam-baraka fa ny resaka fahafatesana olona maro be toa tsy nampiraika firy ? Efa mangotraka ny tsikera sy fampanenoana lakolosy tsy eto ihany fa manomboka mafana hatrany ampitan-dranomasina vao tsapa ny fikoropahan’ny Fanjakana. Akaiky ny fivoriamben’ny SADC ka tsy maintsy hampanginina amin’ny fomba rehetra ny raharaha ?
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT