Misy olana amin’ny fo, mitombo ny fandetehana avy eto an-toerana…
Voamarina fa manana olana amin’ny fo ny mpandraharaha mpanefoefo Mamy Ravatomanga izay ataon’ny Maorisianina andrimaso amin’izao fotoana izao, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao Maorisianina Express.mu omaly maraina. Nampidirina hopitaly tsy miankina nanomboka ny 15 oktobra, rehefa niala teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny jet privé ny alin’ny 11 oktobra. Nisy fizahana ara-pitsaboana lalina nataon’ny dokotera manam-pahaizana manokana momba ny fo miisa 4, izay nahitana fa tena misy tokoa ny aretim-po. «Manaporofo ny valin’ny fizahana fa tena marary i Mamy Ravatomanga», hoy ny vaovao avy atsy Maurice. Raha hiverenana, mba hiantohana ny mangarahara sy hisorohana ny fielezan’ny tsaho, dia nangataka fanamarinana faharoa na « contre examen » tamin’ny filankevitra ara-pitsaboana avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny dokotera mpitsabo azy. Noho izany, dia nandefa ireo manam-pahaizana manokana efatra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny fanjakana. Nohamafisin’ity filankevitra ara-pitsaboana ity ny fanadihadiana voalohany. Ny talata lasa teo, raha hiverenana dia nisy mpanadihady avy amin’ny FCC tonga tao amin’ilay hopitaly, izay efa nisy resaka fanamafisana ny fisamborana. Tamin’io andro io ihany koa, tao amin’ny Antenimierampirenena, dia nilaza ny Praiminisitra Navin Ramgoolam hoe: «Mora ny milaza fa manana olana amin’ny fo mba hisorohana fanadihadiana. Handefa mpiasan’ny Fahasalamana izahay mba hanamarina ny fahamarinan’ireo filazana ireo.». Ankehitriny, dia manamafy ny valin’ny fizahana ara-pahasalamana fa tena manana aretim-po i Mamy Ravatomanga, izay mety hisy fiantraikany amin’ny tohiny amin’ny raharaha ara-pitsarana atrehiny. Na izany aza, efa anatin’ny fangejana tanteraka ny Kaontin’i Mamy Ravatomanga, izay mampiteny ny moana ireo sora-bola, raharaha famotsiam-bola mahasaringotra azy : Kaonty 180 tapitrisa dolara amina banky Maorisianina, vola maloto 640 tapitrisa dolara, famotsiam-bola 20 miliara dolara,… Vola tsy toko tsy forohana izay heverina nisy niainga avy amin’ny harena teto Madagasikara sy mifandray amina heloka iraisam-pirenena. Ho tafaverina eto Madagasikara ve? Tsy mila variana mijery sy faly mahita an'i Maurice mangeja fananana sy manenjika an'i Mamy Ravatomanga fotsiny, fa ny lalàna iraisam-pirenena mametraka fa izay mangeja fananana any aminy, raha zavatra tsy ara-dalàna, no lasa tompon'ilay fananana, hoy ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana. Hita izany tamin'ireo boaderozy voageja tany ivelany, ireo volamena 73kg, ny tatsy Comores, efa ady diplomatika nifanakatona sisin-tany vao azo. « Tsy adala ny Maorisianina mihetsika amin'io, fa isika mila aingam-piasa mangeja fananan'ireo mpitondra teo aloha sy ny forongony. Torak'izay koa ny any Dubaï sy Émirat Arabe ary any Frantsa...”, hoy hatrany ny tenany. Mila mafy be amin’ny lafiny fifampiraharahana ara-diplaomatika, ara-pitsarana, ara-toekarena mazava ho azy ny Fanjakana ankehitriny amin’ny famerenana ireo harem-pirenena voahodinkodina lasa any ivelany.
Ho an’ny eto An-toerana, nanao fanambarana ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny vola omaly, fa tena nanao tantely afa-drakotra ny vola tao amin’ny Minisitera, ary nanao fanararaotam-pahefana i Mamy Ravatomanga. Anisan’izany ny « prise en charge » ara-pahasalamana ho an’ny mpiasam-panjakana, ny fividianana fiara,… Maro, hoy ny sendika, ireo mpiasa ambony tao amin’ny Minisiteran’ny vola no nanan-karena tampoka, ka niantsoan’izy ireo fanadihadiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.