Nivoaka tamin’ny varavarambe Ralitera,
irariana hahomby Rabeariamanga…
Tontosa omaly 26 Martsa 2026, tao amin'ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, ny fampindram-pitantanana teo amin'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) teo aloha, Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, sy ny Minisitra vaovao, Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas. Anisan’ny departemanta stratejika ny resaka angovo sy akoran’afo, isan’ny niteraka ny fitakiam-bahoaka tamin’ny septambra 2025 ka nampirodana ny fitondrana teo aloha. Anisan’ny sehatra sy departemanta tena nahitana fiovana lehibe tao anatin’ny 5 volana anefa, raha jerena teo amin’ny lafiny fihenan’ny delestazy,… izay midika fa nitondra rivo-baovao ary nivoaka tamin’ny varavarambe ny Minisitra Ny Ando Ralitera. Mety misy ny antony ara-teknika ho amin’ny tsaratsara kokoa, fa eo ihany koa ny lafiny politika sy toakerana, ka nahatonga ny fanoloana ny Minisitra teo aloha izay azo lazaina ho nahazo sitraka tamin’ny vahoaka. Isan’ny ain’ny toekarena sy antoky ny fiandrianam-pirenena ny resaka angovo, saingy hatreto aloha dia tena mbola ny sehatra sy vondrona ara-toekarena vahiny no mifehy azy ka asa hoe : nisy tokoa ve ny tsindry nanesorana ny Minisitra teo aloha ? Ny minisitra nesorina izay nametraka fanamby hanapaka ireo fifanarahana mampidi-kizo eo anivon’ny Jirama ? Sa mety hapetraka hitantana sy hanarina io Orinasam-panjakana io araka ny feo mandeha ny tenany ? Hanao ahoana ny fanamby sy ny fiatrehana ny ho avy ho an’ny Minisitra vaovao ? Fifandrifian-javatra ve ny fahatapahana misy maharitra ary misy mitsitapitapy nanomboka omaly ? Mbola vao mandray ny asany ny Minisitra vaovao ka ny irariana dia ny hahavitany bebe kokoa noho ny nodimbiasany eo anatrehan’ny fanamby goavana anatrehan’ny olan’ny angovo sy ny fiovana makany amin’ny angovo azo havaozina izay hahafahantsika manana fahaleovantena misimisy kokoa amin’io sehatra io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.