Actualités

MBM Student Challenge 2015 Voalohany ny mpianatry ny IT University Andoharanofotsy


  • Alakamisy 09 Jolay 2015

Noporofoin’ny mpianatry ny IT University indray ny fifehezany ny informatika ary tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany izy amin’izany

. Misesy ny fandrombahany fandresena amin’ny karazana fifaninanana tetikasa karakarain’ny fikambanana na orinasa. Fifaninanana iray mbola nampisongadina ireo mpianatr’ity oniversite tsy miankina mikirakira ny hairaha avo lenta momba ny informatika eny Andoharanofotsy ity indray ny nandrombahany ny laharana voalohany tamin’ny hetsika “MBM Student Challenge 2015” ho an’ireo tanora Malagasy manana tetikasa izay nokarakarain’ny banky eto Madagasikara. Niavaka tamin’ireo vondrona mpianatra maherin’ny 20 avy amin’ny lalam-piofanana samihafa manerana an’i Madagasikara indray tamin’ity indray mitoraka ity ny tetikasan’ny mpianatry ny ITU ity, izany hoe azo tontosaina tsara eto amintsika, tsy be mpitrandraka ary mifanaraka amin’ny tetibola mitentina 30 tapitrisa Ariary natokana ho loka. Am-periny amin’ny fanatanterahana ny tetikasa novatsian’ny Microcred vola moa ireto tanora mpamorona ireto ankehitriny. 8 volana sy tapany no naharetan’ny fifaninanana izay nanomboka ny 15 oktobra 2014 ary nifarana ny 30 jiona 2015 teo.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT