Mba tsy ho vatofototra

sy kabary fotsiny !


  • Zoma 24 Mey 2024

Lasa ny saiko mandinika ity fihetsiky ny Filoha farantampony tsy tahotra tsy henatra manao propagandy ity.

Fitiavana re izao, fampanantenana re izao, eny fa mety handeha hatramin’ny fahagagana mihitsy. Tena mitsetsetra anaty aho hoe : sao dia tokony ho propagandy foana aza mandavan-taona amin’izay mba mety tsy hisy distrika adino tokoa. Endrey izany fampanantenana tany Bealanana fa dia tsy avela hitoka-monina intsony hono anie e ! Hotohizana hono ny fanamboarana ka hatrany amin’ny lalana mampitohy an’i Bealanana sy Antsohihy hamboarina. Nisy hatramin’ny filazana fa alohan’ny faran’ny taona anie ! Indrisy mantsy fa raha tsy nisy propagandy dia adinona tao, efa ela anie ny antso vonjy sy fitairanana fa tafakatra 1000 na 1200Ar ny kilaon’ny vary noho ny faharatsian-dàlana tany amin’iny faritra iny sy ireo distrika manodidina e ! Enga anie mba tena hisy asa handeha tokoa ny asa nampanantenaina fa tsy ho tahaka ilay vato fototry ny « voie rapide » tao Toamasina izay 5 taona taty aoriana vao niverenana nanaovana fampanantenana vaovao indray !
Tia Tanindrazana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT