MBA TONGAVA SAINA NAMA !

Salama aloha e, tena marina ry jean fa


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

hoe ilaina ny manatrika ny fivoriana any ivelany fa na izany aza ,

mba manao ahoana ny vokatra tsara azontsika avy amin’izy ireny a ? Ianareo makamaka sary no tazanay, fifanolanana eo amin’ny samy delegasionina no renay. Asa hoe ianareo ireto va mba mieritreritra ihany ny zava-misy eto amin’ny tanana dia mba mandray ny fapanapahn-kevitra mety sy mifandraika amin’izany a. Nisy firenena anie ry Jean kely tao Afrika fa tsy nivoaka tany ivelany mihitsy ny prezda tao fa nandroso tsara ihany ilay firenena e. Ny antsika tena hoe izay manampahefana tsy mamita « mission » any ivelany no manenina. Rehefa jerena anefa ny zava-misy marina dia hoe tanàna maloto indrindra aty Afrika i Antananarivo renivohitra ; efa hanaovan’ny olona sarisarin-teny hoe renivohitry ny fako . Dia ianareo mianakavy tsy mety mbola tonga saina fa manohy ny werawera ihany . Henjana ireo zavatra hafahafa sy sampona nitranga tato anatin’ny 30 andro izao ry Jean a, asa hoe mba maharaka tsara ireny vaovao ireny ihany ve ianao, mba mahazo tatitra marina tsara ihany ve sa raha tsy ao an-dapa, dia mandehandeha mampanatena volana sy masoandro ny vahoaka, na koa manatrinatrika fihaonana any ivelany. Mbola vao volana febroary anie izao ry jean e, efa tena re manaikitra ilay fahasahiranana, ka inona no vahaolana arosonareo amin’io ? Mba tongava saina nama fa efa ataon’ny olona resaka a !
Marco
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT