Actualités

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?


  • Alakamisy 16 Jolay 2020

Ny vesatra zakain’ny isan-tokantano sy ny vidim-piainana mihitsy no tokony hahena amin’izao fotoam-pahasahiranana iainan’ny vahoaka izao.

 

 

 

Zava-dehibe ny tosika fameno zarain’ny fanjakana, saingy tsy mahasehaka ny daholobe kanefa sahirana ny olon-drehetra, ary efa naman’ny tsy misy intsony ny fari-piainana antonony. 45 000 no hisitraka ny tosika fameno eto Antananarivo, kanefa manodidina ny 4 tapitrisa any ho any ny mponina, izany hoe ny 1,12% no misitaka io fitsinjovana io. Zava-dehibe ny fihibohana mba ho fisorohana ny valanaretina, ary nisy rahateo ny antontan’isa navoakan’ny INSTAT fa ny 82% amin’ny vahoaka no mankasitraka ny namerenana ny fihibohana, arahina tohana sy fanampiana. Mila mijery ny fitondrana hoe: inona no fomba hahafahana manampy ny rehetra. Vesatra ho an’ny fanjakana, fa mety ho azo atao, ohatra, ny tsy mampandoa vidin-jiro ho an’ny mpanjifa latsaky ny 100 000 Ar, ary izay herin’io no aloha ho an’ireo mandany mihoatra izany, mba hitovy ny rehetra amin’ny fanohanan’ny fanjakana. Mila ampidinina ny vidin-tsolika, izay iankinan’ny vidim-piainana, fa tsy voizina foana hoe ananan’ny kaompania trosa ny fanjakana. Ny an’ny orinasa sy ny sehatra tsy miankina dia efa misy ny maneho fa tsy ho vita ny handoha hetra na nahemotra aza satria ny vola niditra aza tsy misy ka fanafoanana hetra no vahaolana. Ny Fiombonamben’ny sendika efa mitaky fa rehefa tsy hanome fanampiana ny fanjakana, dia ny volan’ny CNaPS no havoaka,… ‘

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT