Mba efa mitsinjo izay hiafarana ve ?

Kodiaran-tsarety ny fiainana, fa mety


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

ho kodiaran-tsarety ihany koa ny politika,

ka asa na mba efa mba nandinika sy niomana ny amin’izany ny mpitondra ankehitriny ? Tsy misy maniry ratsy sy ady saritaka ary romoromo lava eto amin’ny firenena satria tena miankina amintsika Malagasy ihany no hampilamina sy hampirindra ary hampandroso na tsia an’ity Firenena ity. Na izany aza, lasa zary fialonkalofana ny hoe : aza korontanina ny Firenena, tsy mila korontana intsony, andao hifantoka amin’ny fampandrosoana,… Kabary ambony latabatra sy resaka feno fihatsaram-beletsihy no betsaka, tsy fampandrosoana no imasoana fa famenoana paosy, halatra, kolikoly, kiantranoantrano,… Dia ireny misesy vaky ambatolampy ireny ny afera goavana samihafa, manomboka mitombo ny fahasahiana,… Ny mahagaga anefa, dia toa ezahana haodinkodina sy boriboriana, ary ezahina harefarefa sy sarontsaronana ny resaka. Hoentina amin’ny serasera taingina, ka zary efa tsianjery maimbo rehefa misy afera mirefotra ny hoe : fanalam-baraka, tsaho, lasa adala iny,… Tsy fahintsiana ka fahavononana hanome herijika hisian’ny fanadihadiana malalaka, fa dia ny fifampiarovana amin’ny ratsy no betsaka. Efa betsaka izay fahotana mahafaty sy fametavetana ity Firenena ity izay, saingy tsy adala ny Ntaolo nilaza hoe : « misy farany ny zava-drehetra » ! Mafy ve nisy toa an-dry Hitler, fa nisy farany ka asa na mba efa nandinika izay hiafarany ireo mpitondra mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka na efa tena maty eritreritra tanteraka ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT