Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’iny lalam-pirenena faha-25 iny afak’omaly Alakamisy, tokony ho tamin’ny 8 ora alina.
Mazda iray ao amin’ny koperativa FIMPIMA no nivadibadika in-droa miantoana tao Ifanadiana rehefa avy nandalo fiholanana kely ka naka mpandeha telo mianaka. Vokany, tsy manan-tsiny efa-bolana sy dimy volana no namoy ny ainy raha am-polony ireo naratra mafy. Araka ny vaovao voaray dia diso be loatra ny entana nentin’ity mazda kely ity. Ankoatra izay dia efa reraka ihany koa ilay mpamily ka izay no antony niteraka ny loza. Efa nakarina eto Antananarivo manaraka ny fitsaboana sahaza azy avy moa ny sasany tamin’ireo naratra raha mbola any an-toerana kosa ny sasany. Mikasika ny resaka fandriampahalemana any amin’ny lalam-pirenena fahafito kosa indray dia fantatra izao fa hisy ny mpitandro ny filaminana hanaraka ny taksiborosy tsirairay avy ho fiarovana ny ain’ny mpamily sy ny mpandeha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.