MAUSOLEE, ANDRAISORO, FORT DUSCHESNE

Iray volana tsy nahazo rano fisotro madio


  • Alatsinainy 27 Janoary 2025

Efa ho iray volana izao no tsy nahazo rano fisotro madio intsony ireo mponina ao amin’ny Fokontany Mausolee,

Andraisoro ary Fort Duchesne samy ato anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Raha araka ny fitarainan’ny mponina dia nanomboka tamin’ity taona 2025 ity no nisian’izany. Tamin’ny taon-dasa kosa anefa na nisy aza ny fahatapahan-drano dia nijanona teo amin’ny 5 andro ihany. Mahatsiaro ho sahirana ny mponina vokatr’izany. Ho an’ireo manana fiara dia misy mahavita mitatitra rano amin’ny bidon miloko mavo any amin’ny toeran-kafa mihitsy izy ireo izay tafakatra 2.000 Ar ny iray bidon miaraka amin’ny vidin-tsolika lany. Ho an’ireo tsy manana kosa dia mifampitady amin’ny rano alaina eny amin’ny vovo izay tsiahivina hatrany fa tokony hampangotrahina vao hidiovana sy handrahoana sakafo noho izy ireny tsy nandalo fitiliana manokana. Eo an-danin’izay anefa raha araka ny fitarainan’ny mponina hatrany dia vao mainka midangana ny vidin’ny rano ao anatin’ny faktioran’ny JIRAMA isam-bolana. Manaitra ny tompon’andraikitra araka izany izy ireo mba hijery akaiky ity tsy fisian-drano lavareny hiainany efa ho iray volana ity.
Pati
Legende : Hifampitadiavana ny rano fisotro madio eto amintsika na dia amin’ny andro alina tahaka izao aza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT