Mitombo ireo mivelona amin’ny asa fakana ranon’olona eto an-drenivohitra sy ny manodidina
tato anatin’ny 12 volana izao. Hahazoana vola kokoa mantsy izany, indrindra taorian’ny nisian’ny krizin-drano teto amintsika ho an’ireo lehilahy na tovolahy matanjaka afaka mitety tanana sy mitarika kalesy. Raha vidiany sy alainy 100 Ar ohatra ny rano iray bidon miloko mavo dia hamidiny hatrany amin’ny 600 na 1.000 Ar izany miankina amin’ilay toerana. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Raim-pianakaviana mivelona amin’izany dia mahazo 10.000 Ar isan’andro izy rehefa tena mety ny hatao saingy tena reraka ihany koa. Ho an’iny faritra Alasora ambony iny mantsy dia tena mijaly rano tokoa ny mponina ka rehefa tena tsy mahita izy ireny dia misy mahasahy mividy lafo tokoa. Toraka izany koa ny eny Anjanahary…antony manosika ireo mpanam-bola hampiasa fiara tsy mataho-dalana 4x4 mihitsy mba hitaterana izany rano fisotro madio izany mankany an-tokantranony. Misy lehilahy 2 moa raha kely no mivelona amin’izany ao anatin’ny tokantrano iray indrindra fa ireo tsy an’asa. Tsy latsa-danja amin’izany ny vehivavy ho an’ireo mbola matanjaka.
Pati
Legende : Lasa asa fiveloman’ny olona maro ny matsaka ranon’olona tahaka izao eto amintsika !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.