Nitrangana toe-javatra mampihoron-koditra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Matsaborilava, distrikan’Ambanja, omaly.
Lehilahy iray manodidina ny 40 taona no voakapa manta tamin’ny famaky ny ilan-tanany havanana noho ny resaka vehivavy. Raha araka ny loharanom-baovao avy an-toerana dia niaraka tamina vadin’olona izy io ka tratran’ny tompom-bady. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly moa ny lehilahy taorian’ity trangan-javatra niseho ity notsaboina haingana niarovana ny rà tsy ho very be loatra. Voatery nozairina avy hatrany ilay tanana tapaka noho izany.
/ Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.