Nitsotra indray ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) manoloana ny
fifampidinihana ho tanterahina amin’ny 30 jona izao eo amin’ny vaomiera Malagasy sy Frantsay mikasika ireo Nosikelin’i Madagasikara. Namoaka matoankevitra (opinion juridique) araka ny lalàna izy ireo, izay manamafy mazava ny fizakàn’i Madagasikara manontolo sy tsy azo ifampizaràna an’ireo Nosy Juan de Nova, Europa ary Bassas da India. Araka ny fanambarany ny 17 jona teo, dia nisy sahady ny fifanandrinana hevitra tamin’ny vaomiera ny novambra 2023. Mampahatsiahy ny SERA fa ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana lah. 34/91 tamin’ny 1979 no mamaritra mazava fa an’i Madagasikara irery ireo Nosikely ireo. Notsikerain’izy ireo mafy ny fampiasan-teny hoe “Nosy miahaka” na “îles éparses”, izay manamaivana sy mamilivily ny fizakàna ara-dalàna. Hoy izy: “tsy miahaka izy ireo, fa mifamatotra amin’i Madagasikara”. Voalaza ao anatin’ny fanapahan-kevitra navoakan’ny ONU fa efa an’i Madagasikara talohan’ny nahazoany fahaleovantena ireny Nosy ireny; miverina ho azy manontolo izany nony tafaverina ny fahaleovantena, araka ny fitsipika “uti possidetis juris”. Nanamafy ihany koa noho izany ny SERA fa ny tsy fanekena io fanapahan-kevitra io dia endriky ny fanohizana an-kolaka ny fanjanahantany. Raha ny tokony ho izy, hoy izy ireo, dia fanonerana sy famerenana amin’i Madagasikara ny fizakàny amin’ireo Nosy no tokony ho ivon’ny fifampidinihana, fa tsy adihevitra vaovao momba ny maha tompony. Voateny mazava ao amin’ny fanambarany fa « tsy azo ekena velively ny hevitra momba ny fiaraha-mitantana ("co-gestion") ». Mifanohitra tanteraka amin’ny fiandrianam-pirenena izany. Mbola notsiahivin’ny SERA aza fa ny Sénat frantsay dia efa nandà izany modely izany momba an’i Tromelin. Nampitandrina ny SERA fa adidy sy andraikitra lehibe no miandry ny mpitondra Malagasy amin’izao. Raha miraviravy tanana izy ireo, dia ho very zo sy hasina eo amin’ny sehatra iraisampirenena i Madagasikara. Tahaka an’i Maurice izay nahavita namerina an’i Chagos, dia tokony hanana fahavononana ara-diplomatika sy ara-dalàna mitovy i Madagasikara. Tsy misy resaka fanapahan-kevitra "ifandaminana" intsony, hoy ny SERA, fa fiverenana amin’ny ara-dalàna sy fanajàna ny fiandrianam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.