Actualités

Maternite Befelatanana Nahazo fampitaovana


  • Talata 07 Jolay 2015

Novatsian’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina fitaovana ny maternité etsy Befelatanana.

 

 Kidoro ho an’ny mpiteraka miisa 80 niampy milina fanasan-damba telo no natolony tamin’izany, narahina asa fanamboarana ireo fitaratra vaky rehetra isaky ny efitrano. Omaly maraina no nanolorana tamim-pomba ofisialy ireo fitaovana ireo,  raha efa nanolotra kidoro miisa 25 ny tenany tamin’ny volana Martsa lasa teo. Kidoro miisa 105 izay no voasolo raha araka ny fanazavan’ny profesora Hery Rakotovao, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity hopitaly ity raha miisa 160 kosa ny fandriana izay nomarihiny manokana fa natokana ho an’ny marary sy ny mpiteraka ihany. Efa nomen’ny consulat-n’i Espagne seza miisa 100 mantsy ireo mpiandry marary hoy hatrany izy. Olana ho an’ny hôpitaly sisa araka izany ny tsy fanajan’ny mpiandry sy ny mpanaraka ireo marary ny fahadiovana sy ny fahanginan’ny hôpitaly, raha araka ny fantatra, indrindra fa ho an’ny rihina voalohany misy ny toerana fandidiana ireo vehivavy hatao césarienne,...Misy amin’ireo mpanaraka ny marary mihitsy mantsy no mandrahona ireo mpitsabo raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Eo ihany koa ny resaka fitaovana izay misy saingy tsy maharaka no sady mora simba. Raha tokony haharitra efa-taona mantsy ny fitaovana iray hoy hatrany ity profesora ity dia lasa 12 volana monja izany dia simba noho ny hamaroan’ireo marary tonga manatona ny hopitaly hampiasana izany. Miisa 20 hatramin’ny 30 isan’andro moa ireo mpanjifa raisin’ity hopitalim-panjakana iray ity.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT