Mandalo amin’ny famerenana ny
fanjakana tan-dalàna sy to teny ary ny fitokisan’ny vahoaka ny fanavaozana ny diplaomasia malagasy, hoy ny solombavambahoaka teo aloha, Masy Goulamaly. Nisedra tsindry ara-politika ianao teo aloha, hoy izy. Ahoana ny fijerinao izany ankehitriny? Fotoana izao hibanjinana sy hiasàna amin’ny fanarenana sy fanavaozana ny firenena ary vonona aho ny hitondra ny anjara birikiko. Ny anton’ny tolona nisy nanomboka ny 25 septambra dia ny olana lehibe sedrain’i Madagasikara. Singanina manokana ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy sosialy, indrindra ny mikasika ny fisitrahana ny zo fototra. Tsy fiovan’olon-tsotra fotsiny fa fanamboarana sy fanovan-drafitra mafonja. Firenena mifototra amin’ny tany tan-dalàna marina, rariny, mangarahara, fitoniana ary fanarenana ny toekarena no tokony fanambintsika manombok’izao ary fanjakana mitodika sy miasa ho an’ny vahoaka no tokony ho tarigetra. Nifantoka tany amin’ny nosy Maorisy ny mason’izao tontolo izao nanomboka ny alin’ny 11 Oktobra. Miarahaba ny vahoaka maorisianina sy ny rafitra ara-dalàna ao aminy ny tenako. Naneho firaisankina, fahasahiana ary fahaiza-mitondra izy ireo ary tsy nifidy saranga ny amin’ny fampiharana ny lalàna ao aminy. Nampiseho izy ireo fa azo tanterahina ny fiaraha-miasa marina sy mitovy lenta eo amin’ny firenena roa tonta. Kihon-dalana lehibe izao eo amin’ny sehatra diplaomatika ary tokony hizotra hatrany any amin’ny fananganana sy fanamafisana fifandraisana madio sy marina eo amin’ny firenena roa tonta izao, indrindra amin’izao vanimpotoanan’ny fanavaozana izao. Raharaha saro-pady io. Avelantsika miasa ireo mpanao fanadihadiana sy ny fitsaràna mahefa ary matoky azy ireo isika. Niteraka resabe ny raharaha fanesorana ny masoivohontsika malagasy ao Maorisy. Tsy mora io fanapahan-kevitra io fa nilàna fahasahiana satria misy lanjany daholo ny fihetsika rehetra, na dia ireo kely indrindra aza, amin’ny diplaomasia. Ny firaisan’ny firenena afrikanina dia tsy tokony ho teny filamatra fotsiny fa tetikasam-piaraha-miasa azo tsampain-tanana tena izy. Ny fiaraha-miasa no antoky ny fitoniana sy fandrosoana. Tao amin’ny vondrona SADC dia niasa tamin’ny sehatry ny fandriampahalemana, rafi-pitantanana sy lalàna ary fitoniana, fampandraisana anjara ny vehivavy eo amin’ny fiainam-pirenena ny tenako. Matetika ianao no miresaka ny “fanorenana ara-diplomatika” na “refondation diplomatique”. Ny fanavaozana ny diplaomasia dia midika hoe famerenana ny lanjan'ny fanjakàna to teny sy tan-dalàna, izany hoe, miteny amin’ny feo iray, manaja ny soatoavina sy ny fahamendrehana. Tsy afaka mijanona ho “mpijery” na mpanatrika tsotra intsony i Madagasikara. Tsy maintsy miova ho hery manolotra hevitra isika, indrindra manoloana ireo hetaheta sy olana tsy maintsy vahana sy tanterahana ho an’ny vahoaka, izay azontsika iaraha-miasa amin’ireo firenena namana manerantany. I Maorisy dia mpiara-miombon’antoka stratejika. Manana tantara sy fifanakaikezana. Manana tanjona iombonana amintsika malagasy eo amin’ny lafiny fiarovana an-dranomasina, fifanankalozana ara-barotra, fampiroboroboana ny tanora ary famoronan’asa. Raha miray hina sy miara-miasa marina ny firenena roa tonta dia mino marimarina aho fa afaka hijoro ho ivotoeran’ny fampandrosoana isika aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, hoy hatrany ny tenany mampirika fiaraha-miasa bebe kokoa amin’i Maorisy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.