Actualités

Masoivohon’i Monaco Hifantoka amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza


  • Talata 25 Aogositra 2020

Ao anatin’ny tanjona ny amin’ny hampaharitra ny fiaraha-miasa efa mipetraka eo amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra sy ny masoivohon’i Monaco eto Madagasikara,

 

 

 izay efa niandoha tamin’ny taona 2004 dia nisy ny famatsiana fitaovana ara-pahasalamana nataon’ity masoivoho ity ho an’izay CHU eny Ambohimiandra izay. Fandriana lehibe miisa 7, fandriana ho an’ny zaza miisa 2, kidoro fatoriana miisa 8 natao ho an’ny zaza ihany koa no isan’izay famatsiana ara-pitaovana izay. Nanolotra fitaovana hafa toy fanala moka na “aspirateurs de micosité” sy fandanjan-jaza ihany koa ireto vahiny ireto. Hifantoka amin’ny fahasalamana, indrindra, ny an’ireo reny sy ny zaza, hoy hatrany ny fahazavana, ny hetsik’ity masoivoho ity manomboka eto.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT