Mpiasa 3500 no nalefa “chômage technique” tao amin’ny Orinasa Ambatovy nanomboka ny volana mey noho ny fisian’ny olona voan’ny Covid 19 sy ny fahafatesana teratany Filipianina iray.
Efa nalefa nody ireo teratany vahiny niasa tao. Olona 9000 no indray very asa nanomboka ny 6 aprily. 3500 ny mpiasa mivantana, ary 5500 no mpiasa tsy mivantana ao mivelona amin’ny orinasa Ambatovy; isan’ireo ny tantsaha mivelona amin’ny famatsiana sakafo sy vokatra. Misy orinasa madinika 450 miasa sy miantehatra amin’ity orinasa iraisam-pirenena goavana amin’ny sehatry ny fitrandrahana kobalta sy nikela ity. Mangataka ny hahafahana mamerina ireo mpiasa efa nalefa nody any ivelany sy hiodinan’ny orinasa Ambatovy ny Masoivoho Japonais Yoshihiro Higuchi nandritra ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy. Manana anjara toerana goavana amin’ny toekaren’i Madagasikara ny orinasa Ambatovy. Ny taona 2018, dia nitana ny 26% tamin’ny fanondranana entana nataon’i Madagasikara, ary nampiditra hetra 43,4 tapitrisa dolara tamin’ny kitapombolam-panjakana i Ambatovy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.