Masoivohon’i Japon sy ny

distrikan’Atsimondrano Hiara-hiasa, vita sonia ny famatsiam-bola 2.065.000.000 Ar


  • Talata 19 Martsa 2024

Hiara-kiasa akaiky hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

mahazo ny 48%-n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika ny Masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara Atoa Sem Abe Koji sy ny Solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy tao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Vita omaly Alatsinainy 18 Martsa ny sonia famatsiam-bola mitentina 2.065.000.000 Ar hahafahana manatontosana izany sy ho fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra. Amin’ity taona 2024 ity manokana dia hisy ny fanamboarana trano fivoahana(WC) sy trano fidiovana(Douche) ankoatra ireo tetikasa roa lehibe voalaza etsy ambony ireo. Tao anatin’ny roa taona voalohany anefa hoy ity Solombavambahoaka ity dia trano fivoahana(WC) maherin'ny 480 isa no efa vita. Ankoatra izay dia tokantrano manodidina ny 72.000 no nisitraka mivantana ny tetikasa tamin’ny alalan'ny fampiofanana, fanomezana masomboly ary fisitrahana fitaovam-pambolena maro isan-karazany. Mbola hitohy araka izany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Masoivohon’i Japon sy ny Distrikan'Atsimondrano ho amin'ny telo taona manaraka. Tsiahivina moa fa tamin’ny 30 Jolay 2023 dia nisy ny fihaonana teo amin’Atoa Alain Ratsimbazafy sy SEM Bapak Benny Yan Pieter Siahaan Masoihovon'ny Repoblikan'i Indonezia eto Madagasikara. Dinidinika nahafahana nijery izay sehatra iaraha-miasa eo amin'ny lafiny Fambolena sy Fiompiana no nataon’ny roa tonta tamin’izany.
Pati
Legende : Ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy sy ny Masoivohon'i Japon SEM ABE Koji izay samy vonona hiara-kiasa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT