Actualités

Masoivohon’i Etazonia Aoka hohajaina ny lalŕmpanorenana


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Voalohany tato anatin’ny enin-taona no nankalazaina teny amin’ny trano fonenan’ny masoivohony eny Ambaranjana ny fetim-pirenena Amerikanina. Naroso omaly ny fanamarihana ny faha-239 nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia, izay atao ny 4 jolay raha ny tena izy

 

. Nisolotena ny fitondram-panjakana teny an-toerana ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice ary tazana teny ihany koa ny Me Henri Rabary Njaka tale kabinetran’ny filohan’ny repoblika. Nitondra vokatra mivaingana ho an’i Madagasikara ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, hoy ny masoivoho Amerikanina monina sy miasa eto amintsika Robert T Yamate. Eo, ohatra, ny fiverenan’i Madagasikara ao anatin’ny tetikasa AGOA. Tsy mora ho an’ny mpitondra anefa, hoy izy ny manarina ny firenena taorian’ny krizy 5 taona, hany ka mety ho sorena ihany ny olona izay efa leon’ny krizy. Nambaran’i Robert T Yamate fa fanapahan-kevitra ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana no tokony horaisin’ny mpitondra fanjakana amin’ny famahana ny olana sy fampandrosoana ny firenena. Mahatoky ny fiarenan-doha sy fandrosoan’ny toekarena malagasy ny tenako, hoy ity diplaomaty ity satria tena tany manankarena i Madagasikara, ary vonona ny hanampy ny fitondram-panjakana amin’ny asa fampandrososna ataony i Etazonia. Mahavelombolo ihany koa, hoy izy ny hoavin’ny tanora eto. I Etazonia moa dia manampy betsaka antsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka anisan’ny asa goavana efa vita ny fikarakarana ny valanjavaboary ao Ranomafana.


Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT