Actualités

Masoivoho Malagasy any Frantsa Tsy manome fanamarinam-panambadiana ho an’ny mitovy fananahana


  • Talata 31 Janoary 2023

Namoaka fanambarana sy fampahatsiahivana ny Masoivoho Malagasy any Frantsa tarihin’Atoa Rija Rajohnson ny 11 janoary teo, fa voafehin’ny lalàna manan-kery laharana 2007-022 tamin’ny 20 aogositra 2007 ny mariazy Malagasy,

ary tsy voafaritra ao ny fankatoavana ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana sy ny fahafahana manome ilay antsoina hoe PACS (Certificat de coutume relatif au Pacte civil de solidarité) ho an’izay endri-panambadiana izay. Noho izany, nilaza io Masoivoho Malagasy any Frantsa izao, fa tsy afaka mihitsy hanao fanamarinana mariazy na koa hanome ilay PACS ho an’izay mangataka izany, raha toa ka mitovy taovam-pananahana ireo mpivady mpanao fangatahana. Mihatra io ho an’ny Malagasy rehetra monina any ivelany amin’ny ankapobeny. Na araka ny lalàna, na araka ny soatoavina sy ny kolontsaina, mbola tsy nahazo fahalalahana eto ny fifanambadian’ny olona mitovy fananahana, saingy voarara kosa ny endrika herisetra atao amin’izy ireny, ary misy ny fanentanana samihafa mandeha. Mbola tsy eken’ny maro an’sa any anaty fiarahamonina Malagasy ny fivoizina sy ny fanalalahana an’io na amin’ny endriny inona na inona, saingy efa misy miezaka manasosoka azy tsikelikely ihany moa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT