Actualités

Masoivoho Malagasy any Frantsa Nahatezitra olona maro ny fitavozavozany


  • Zoma 15 Mey 2020

50 andro taty aoriana vao nanao antso fifanomezan-tanana eo amin’ireo mpiray tanindrazana malagasy taraiky sy monina ao Frantsa ny ambasadin’i Madagasikara ao Paris mba tsy hilazana hoe izay vao nandray fepetra,

 

 

 

 

 hoy ny tsikeran’ireo malagasy ao an-toerana nahita ny fanambarana nataon’ny ambasadaoro, Olivier Rija Rajhonson, omaly. Namoaka fanambarana moa ity farany ny amin’ny mba hisoratan’ireo malagasy mahatsiaro fa mila fanohanana ao an-toerana na koa afaka manampy ny mpiray tanindrazana ao amin’ny tambazotran-tserasera welp.fr. Misy ny vovonana izay iarahan’ny ambasady miasa amin’ireo Diaspora ao an-toerana hanangonana sy hitsinjarana izay fifanampiana sy fifanomezan-tanana izay, hoy ny fanazavana. Efa betsaka ireo mpianatra tsy misakafo sy tsy mahaloa hofan-trano kanefa ny nomeraon’ny ambasady tsy misy mandeha rehefa antsoina, hoy ny fitarainan’ireo mpianatra tao anaty tambazotran-tseraseran’ity ambasady ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT