Actualités

Masoivoho Frantsay Miato avokoa ireo asa eto Antananarivo


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Manoloana ny fepetra noraisin` ny fitondram-panjakana mahakasika ny fihibohana eto amin`ny faritra Analamanga, dia nanatanteraka fivoriana entina iatrehina izany (cellule de crise) ao amin’ny masoivoho frantsay.

 

 

 

Noho izany, miato indray ny fandraisana olona manan-draharaha eny anivon` ny masoivoho, toy ny fangatahana fahazoan-dalana manokana hivezivezy (visa) any Frantsa eo anivon` ny TLS. Ireo “services consulaires” kosa dia hisahana fotsiny ireo raharaha maika. Marihana fa ny 28 jona lasa teo no niverina niasa indray ny sampandraharaha misahana ny famoahana “visa” saingy mbola voafetra ihany koa ireo afaka mangataka izany “visa” izany toy ireo mpianatra maniry hianatra any Frantsa; ny vady aman-janak’ireo teratany frantsay; ireo mpiasa hamita iraka any Frantsa. Ny sokajy hafa kosa dia tsy maintsy miandry ny famerenana amin` ny laoniny ny sidina Madagasikara sy Frantsa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT