Actualités

Masindray - Soavinandrana Karohina fatratra ilay lehilahy nanolana ny zanany vavimatoa


  • Alarobia 14 Jona 2023

Lehilahy iray antsoina hoe : Donald no fantatra fa karohina fatratra amin’izao fotoana izao noho ny fanolanany ny zanany vavimatoa.

Mpampianatra ao amin' ny EPP Tsinjoarivo, kaominina ambanivohitra Masindray, distrikan’i Soavinandriana ity Raim-pianakaviana nahavanon-doza ity. Tao amin'ny Fokontany Antsahalavabe kosa no nitrangan’ny tantara raha vao 14 taona monja ilay zanany vavy. Nohamarinin-dReniny nandritra ny famotorona fa nisy tokoa ny fanolanana ity zazavavy kely ity ary nahitana pilina fanabeazana aizana tao anatin’ny kahie. Rehefa nanontaniana ilay voaolana dia nilaza fa tamin' ny volana martsa izy no naolan-dRainy ka rehefa tsy nandeha ny fadimbolany taorian' izay dia nividianan' Atoa Donald ireo pilina ireo izy ary nasain' ity farany nohaniny izany. Fantatra ihany koa fa nandritry ny fotoana tsy nahatao an-trano ny reniny sy ny zandriny no nanaovan'ity rangahy ity ny filan-dratsiny tamin'ny zanany ary norahonany ilay zaza mba tsy hiteny izany na amin'iza na amin'iza.Nametraka fitoriana moa ny renin'ilay zaza raha nanjavona kosa ilay Rangahy efa ho tapa-bolana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Karohina fatratra ity Raim-pianakaviana nahavanon-doza ity amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT