MASINDRAY AVARADRANO

Zava-maniry arovana 45 fototra tratra tamin'ny toeram-pambolena


  • Alatsinainy 14 Jolay 2025

Sokajin-zava-maniry ahiana ho lany tamingana toy ny operculicarya, pachypus, ravenea sp,

eleohantopus sp, ary cycas mitontaly 45 fototra no sarona tamina toeram-pambolena zana-kazo iray teny Masindray, distrikan' Avaradrano ny faran'ny herinandro. Teratany karana iray no tompon'andraikitra tamin'izany hoy ny vaovao. Mbola taratasy hosoka (𝒍𝒊𝒄𝒆𝒏𝒄𝒆 𝒅'𝒐𝒑𝒆́𝒓𝒂𝒕𝒆𝒖𝒓 𝒆𝒙𝒑𝒐𝒓𝒕𝒂𝒕𝒆𝒖𝒓 𝒅𝒆 𝒇𝒍𝒐𝒓𝒆 𝒔𝒂𝒖𝒗𝒂𝒈𝒆) ihany koa no nampiasain'ity tera-tany vahiny ity tamin'izany. Voasambotra niaraka taminy moa ireo mpiray tsikombakomba tamin'ny fanaovana ilay taratasy hosoka. Efa nampandrenesina ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny Fampandrosoana (MEDD) ka efa noraisin'izy ireo an-tanana ireto zava-maniry arovana ireto. Ny zandary avy ao amin'ny Borigadin' Antananarivo renivohitra kosa no miandraikitra ny fanadihadiana.
Pati
Légende : Ireto izy 3 mianadahy tompon'andraikitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT