Actualités

Marovoay Niravona ny disadisana ady tany


  • Alarobia 16 Desambra 2015

Nisy tokoa ny olana teo amin’ny tantsaha mpamboly any Marovoay izay niara-niasa tamin’ny Fifabe taloha sy ny orinasa Someah izay nandresy ny Fifabe tamin’ny ady tao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany sy ny « Cours d’appel » tany Mahajanga » nifanaovan’izy ireo.

 

 Nampisavoritaka ny vahoaka ity resaka ity  satria tany efa niveloman’ireto vahoaka ireto an-taonany maro no saika nesorina manta tamin’izy ireo ka saika natao lavanty ampahibemaso. Satria tsy misy tsy vitan’ny fifanatonana sy fifampidinihana amin’ny famahana ny olana ka noho ny fanelanelanana nataon’ny tenanay solombavambahoaka voafidy tany an-toerana,  ny depiote Ravoninjatovo Sahoby,  dia nampifanatonana ireo mpamboly sy ny Someah dia niafara tamin’ny marimaritra iraisana fampijanonana ny lavanty saika natao izao. Ny isavorovoroana tokoa hilatoana, hoy ny tenin-drazantsika.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

Hijery ny tohiny
FTT