Miaina anaty haizina ny tanànan’i Marolambo nanomboka ny sabotsy teo. Ritra ny tahirin-tsolika, nefa ny fiarabe mitondra solika nihitsoka any an-dalana
noho ny haratsin’ny lalana Mahanoro-Marolambo. Mikatso nanaraka izay ny milina mpamokatra herinatry ny Jirama. Fatiantoka be koa ny an’ny mpandraharaha mampiasa herinaratra. Ahiana ny fitehirizana fanafody, indrindra ny vaksiny. Hisy fiantraikany amin’ny fampandehanana ny fanadinana bakalorea ihany koa izao tsy fisian’ny jiro izao raha tsy mivaha anio ny olana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.