Nitrangana lozam-pifamoivoizana roa samihafa nefa nifanakaikikaiky omaly teny Marohoho sy teny Tsimbazaza. Ny voalohany dia omaly maraina tokony ho tamin'ny 6 ora teny Marohoho
Mpivady nitaingina moto scooter no lasibatra tamin'izany izay samy naratra avokoa. Antony nahatonga ny loza, araka ny fanazavan'ilay lehilahy, ny fisiana fatin'alika teo afovoan'ny arabe. Tsy izany anefa no fahitany io zavatra io fa toy ny sachet mainty ka tsy nanaitra azy. Nitazona ny hafainganam-pandehany ihany ny lehilahy noho izany saingy ny loza dia natsambikin'io fatin'alika io ilay moto nentiny. Vokany, tsy nahatazona ny familiany intsony izy. Tao anatin'izay ihany koa anefa no nisy fiara taksibe iray nifanehitra taminy ka tsy nahita ny lalan-kombany intsony ranamana. Nianjera izy mivady ka rapa tanteraka ny ilan-tavan-drangahy. Nivonto ihany koa ny molony sy ny handriny. Voadona mafy kosa ny lohan'ilay ramatoa vadiny sy ny tongony. Rehefa nentina teny amin'ny hôpitaly HJRA Ampefiloha moa izy ireo dia somary nisy olana ihany. Nilaza ho mbola nanadio trano mantsy ireo tompon'andraikitra ka tsy nisy dokotera nandray. Na izany aza vita soa aman-tsara ihany ny fitarafana ary efa samy nalefa nody izy ireo.
Ny faharoa dia mbola omaly alakamisy ihany fa teny Tsimbazaza teo amin’ny fiantsonan’ny zotram-pitaterana ampitan’ny vavahadin’ny Parc. Nipoitra avy ao anelanelan’ireo Taksibe ity rangahy ity ary niampita. Nisy moto nidina mafy anefa avy any ambony nifaoka azy ary notarihan’ilay moto tany amin’ny 6 metatra tany ho any. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ilay niharam-boina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.