Zazavavy kely iray vao 12 taona monja monina ao amin’ny Fokontany Maroelatra, kaominina ambanivohitra Ambato-Boeny no naolana lehilahy iray 19 taona, andro maromaro lasa izay.
Nanatona avy hatrany ny polisy any an-toerana ny Ray aman-drenin’ity zaza ka raikitra ny fikarohana ilay nahavanon-doza. Raha araka ny fantatra mantsy dia zaza vao nifindra ao amin’ny kilasy fahaefatra ity niharan’ny fanolanana ity. Afak’omaly sabotsy 14 novambra no tratra soamantsara tao Mampiengola, Fokontany Maroelatra, ihany ilay lehilahy. Tao amin’ny trano fonenany izy no nosamborina ka mbola nanaovana fanadihadiana hatramin’ny omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.