MAROANTSETRA

Leo fanolanan-jaza, misoko mangina ny fitsaram-bahoaka


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Leo fanolanan-jaza ireo mponina any amin’ny distrikan’i Maroantsetra.

Taorian’ilay zazavavy kely vao 6 taona monja naolana lehilahy lehibe iray 32 taona tany Voloina Marontsetra afak’omaly Alatsinainy 25 Desambra dia zazavavy kely iray hafa indray ihany koa no nisy nanolana omaly Talata 26 Desambra tao Ankofabe any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ihany. Vao fantatry ny mponina ity farany dia nanomboka nikononkonona fitsaram-bahoaka izy ireo ka voatery niditra nandamina izany ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa matin’izy ireo ilay lehilahy iray 32 taona iry ambony izay azo lazaina ho tsy mifadi-trovana. Nobatain’Itompokolahy ilay zaza hoy ny vaovao ary notampenany ny vavany. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka ilay nahita no namory fokonolona. Na izany aza efa vitan’ilay tsy mataho-tody ihany ny nataony. Ilay zaza efa nihosin-dra teo am-pandriana sisa no tratran’ny fokonolona. Tsy nanaiky anefa ireto farany fa niandry io lehilahy io nony hariva ny andro ka tsy navelany raha tsy afaka ny ainy rehefa niditra tao an-tanana. Ny sasany nively azy tamin’ny kobay raha nitifitra totohondry sy nandaka kosa ny sasany. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ilay zaza ary fantatra fa simba tanteraka ny fivaviany noho ny tery vay manta nataon’ilay tsy mifadi-trovana. Toraka izany koa ilay iray izay vao lasibatra omaly Talata.
Pati
Legende : Ity maty ity ilay mpanolana tamin’ny fetin’ny Krismasy teo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT