Actualités

« Marines » Amerikanina Hiaro antsika amin’ny “Djihadistes” ?


  • Talata 14 Jolay 2015

Hanampy an’i Madagasikara i Etazonia amin’ny fiarovana ny fari-dranomasin’ny Malagasy. Io no lohahevitra nifantohan’ny dinika teo amin’ny sekreteram-panjakana amerikanina,

 

 Ray Mabus miandraikitra ny tafika an-dranomasina sy ny jeneraly Ravelonarivo Jean Praiminisitra lehiben’ny governemanta  omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo. Sehatra tena anjakazakan’ny mpijirika sy ny  jiolahy ankehitriny ny ranomasina ka izany no tena mahatonga ny fanjakana amerikanina miditra an-tsehatra  amin’ny fampandriana fahalemana ny  ranomasimbe Indiana, hoy ity  tompon’andraikitra  ambony amerikanina ity. Mba ho fampitomboana ny traikefan’ny  miaramila malagasy ary dia fantatra  fa hisy  tafika an-dranomasina  amerikanina  hanome  fiofanana ho an’ny tafika malagasy. Ankoatra izay dia fantatra fa hanome fitaovana arifomba ny  miaramila malagasy toy ny  sambo haingam-pandeha sy fitaovam-piadiana  maro samihafa ny fanjakana amerikanina.

Tantsambo matihanina

Raha nandray fitenenana kosa ny praiminisitra dia naneho ny hafaliany amin’ny hahazoantsika  miaramila tantsambo tena matihanina  hiaro ny sisin-dranomasintsika. Maty tanteraka ny lalan’ny  mpanao aferana andramena  amin’izay ny  Piraiminisitra. Fa ny  mampametra-panotaniana dia ny hoe  inona no tena arovan’ny Amerikanina mafy aty  amin’ny fari-dranomasintsika. Sarotra ihany  mantsy ny hino fa noho ny fitiavana  manokana fotsiny no anaovany izany. Inona no tombontsoa ao ambadika ?

Fanotaniana  faharoa dia ny hoe hanao ahoana izany izao no ho fahitan’ireo firenena sy mpioko amin’ny fanjakana amerikanina ny fisian’ny  tafika  an-dranomasina  amerikanina  na “Marines” aty  amintsika izany. Tena hiaro antsika Malagasy hatraiza ny Amerikanina raha tena tonga tokoa ny  silamo mahery  fihetsika mpanao vy very ny ainy. Maro mantsy ny  firenena idiran’ny amerikanina an-tsehatra toy izao ny fampandriampahalemana ny taniny saingy loza no aterany avy eo. Tsy honohono intsony  amin’izay  fotoana  izay ny fisian’ny  “Djihadistes”  fa  dia tena ho avy tokoa izy raha tsy efa eto. Taorian’ny  fihaonan’ity  sekreteram-panjakana  amerikanina ity teny Mahazoarivo dia  nihaona tamin’ny  Filoham-pirenena Hery  Rajaonarimampianina ihany koa ny tenany ka ny lohahevitra mahakasika ny fiarovana ny  fari-dranomasin’i  Madagasikara ihany no nifandohan’ny  fihaonana.

Andry Ratovo     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT