Be loatra ireo onjapeo misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Nepatraiky Rakotomamonjy.
Nibosesika ihany koa tato ho ato, raha ny fanazavany, ny fangatahana alalana ho amin’izay fanokafana onjapeo izay. Tsy maintsy hiditra amin’ny fanalana ireo maridrefy tsy ara-dalàna, araka izany, ato ho ato ny minisitera manoloana ny toe-draharaha misy ka dia nanentana ireo tompona haino aman-jery noho izany ny tenany mba hanantona sy sampana tomponandraikitra mikasika izay fampanarahan-dalàna ny onjampeo izay mialohan’io fanapahakevitry ny minisitera io. Nanisy teny mikasika ny tokony hanitsiana ny lalàm-panorenana ihany koa moa ity minisitra ity ary nilaza fa efa voarakitra tanaty lalàm-panorenana tany aloha fa an’elanelan’ny 8 ka hatramin’ny 11 herinandro mialohan’ny hanambarany fa hilatsaka ho filoham-pirenena indray no tokony hametra-pialana ny filoha. Tsy nisy nahavita nampihatra izany toy ity andininy faha 47 ity ihany koa anefa, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.