Manadala saim-bahoaka no azo hilazana ny fihetsika sy ny zavatra ataon’i Marc Tatandraza, izay milaza azy ho apostoly sy irak’i Jesosy. Sesilany ny fanambarana sy fitenintenenam-poana etsy sy eroa.
Efa ela no nilaza fa ho faty ary efa nanao veloma mihitsy, saingy mbola teny foana ary nanaparitaka horonantsary sampontsampona sy toa efa mirediredy, ka zary lasa fihomehezana. Vao tsy ela akory indray izay no nilaza fa antomotra ny fotoana hialany eto ambonin’ny tany, ka ny volana desambra 2017 ho avy izao no milaza fa handeha izy ary halaina sary mihitsy ny fotoana handehanany. Rehefa maty dia hosaronana rary simenitra matevina na Beton ny razako, hoy ity lehilahy efa sokajian’ny maro ho mirediredy sy lasa adala ity. Milaza fa hitety ny manampahefana manomboka any amin’ny filoham-pirenena sy praiminisitra na minisitra ary ny vahoaka manontolo mialoha ny hahafatesany. Inona indray no hiseho sy zavatra hambara rehefa tonga tokoa ny desambra ? Miparitaka anaty tambajotran-tserasera indray ankehitriny ny sariny namboamboarina maneho fa efa lasa nitety firenena maro hizara ny faminaniany. Hatramin’ny sarin’ny filoha Amerikanina Donald Trump midina amin’ny fiaramanidina aza dia vitany no manova azy ho sariny satria te halaza sy te hoderaina. Toa olona efa marary saina sy mirediredy mihitsy no hitsaran’ny maro azy, saingy mitohy hatrany ny fandrebirebena ataony. Efa nisy fotoana tokony ho nisamborana azy io, saingy nangina izany. Maro kosa no efa leo sy tofoka amin’ny zavatra ataony, saingy izao tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe efa andron’ny demokrasia, ka afaka milaza izay heveriny ho faminaniana sy redirediny ny olon-drehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.