MARC TATANDRAZA

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza


  • Talata 14 Mey 2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

 Tsy mitsahatra fa mbola manjohy azy hatrany ny famoizam-po vokatry ny daka am-bavafo nataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny azy, antony nahatonga azy ho mpilalao sary mihetsika tsy fidiny. Namoaka horonan-tsary mihetsika tao amin’ny tambajotran-tseraserany indray ny anaolahy omaly nilaza fa na dia efa nataony vonimboasary hatramin’ny lambam-pandrianany aza dia mbola nodakana sy tsy noraharahiana ihany izy raha naniry mafy ny hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’i Beloha, Faritra Androy. Nasehony tao anatin’io horonan-tsary mihetsika io ny fivarianany lavo amin’ny fisotroan-toaka, tranga nahafahany namoaka ny tao am-pony rehetra. Labiera no eny an-tanany saingy tena mamo tampoka izy raha io horonan-tsary mihetsika navoakany io no sady mirediredy. Talohan’io moa dia tsiahivina fa vehivavy iray izay mpiara-miasa aminy akaiky no nanakiana mafy ny Fitondram-panjakana ny amin’ny nandakan’izy ireo an’i Tatandraza ary niantso tody mihitsy fa tsy ho zakan’ny filoha izao famoizam-po mahazo ny mpitarika azy io.
Pati
Legende : Marc Tatandraza efa namoaka horonan-tsary mihetsika ny fikasany hamono tena ihany koa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT