Actualités

Marc Tatandraza Efa manodina ny rakitsary fahatsiarovana


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Mbola eto ambonin’ny tany raha ny vaovao nampitain’ny nilaza ho delegasionina miaraka aminy tamin’ny antso an-tariby omaly ilay mpitondra

 

fivavahana nanorina ny Fiangonana Kristianina Mitambatra (FKM), Marc Tatandraza, fantatry ny rehetra amin’ny hoe Apostoly Tatandraza. Eto Madagasikara ihany koa matoa mbola azo amin’ireo tambajotram-pifandraisana an-tariby eto an-toerana ny laharany. Tsy afaka niresaka an-telefaonina kosa izy, raha ny fanazavana, noho ny fahasahiranany mandrakitra am-peo ny fahatsiarovana farany mialoha ny hialany eto an-tany, araka ny efa nolazainy farany. Hisy ihany koa ny fampahafantarana an-gazety sy haino aman-jery ny fiaingany hody any amin’ny Ray amin’izay, raha ny nambaran’ity mpanara-dia azy hatrany. Tsy ho ela intsony dia ho tontosa ireo rakitsary fahatsiarovana ireo, raha ny voalaza, ary hozaraina amin’ireo mpino sy ny vahoaka ato ho ato.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT