Amin'ny maha Filohan'ny Repoblika teo aloha ahy, dia manambara am-pahibemaso aho:
tsy tranga tokana io loza io. Vokatry ny fanjakana tsy nahomby, ny fitondrana tsy voafehy ary ny rafim-panjakana tsy voakarakara. », hoy i Marc Ravalomanana omaly. Araka ny tatitra ofisialy voalohany, dia 31 no maty, ary tanora manodidina ny folo no mbola manaraka fitsaboana mafy ao amin’ny hopitaly. Tao anatin’ny fokontany efa marefo ara-pitaovana sy tsy ampy tolotra no nitrangan'ny loza: 9 amin’ny 12 no mifandray amin’ny tambazotran-drano, nefa paompy 12 ihany no miasa, ary fokontany 8 ihany no misy jiro,… Fanontaniana maro no napetrak’i Marc Ravalomanana toy ny hoe: Inona marina no nahatonga ny fahafatesana? Sakafo lany daty, simba, sa tsy tokony hohanina intsony? Raha izany, inona ireo sakafo ireo, iza no nanafatra sy namoaka azy, ary iza no manampahefana nanome alalana ny fivarotana azy ireny? Raha tranga botulisme vokatry ny tsy fahampian-jiro ka tsy voatahiry tsara ny sakafo, na fanapoizinana, dia tokony ho fantatra iza ireo tomponandraikitra. Manahy i Ravalomanana satria toa nisy fampitandremana tsy noraharahina, na dia nisy fahafatesana haingana aza. Antony mampiahiahy ihany koa ny famindrana ny fanadihadiana any amin’ny laboratoara iray any Strasbourg, tsy nisy “contre-expertise” mahaleotena natao. Manontany izy hoe: nahoana ny Tale iray nisahana ny " Veille Sanitaire, de la Surveillance Epidémiologique et Riposte" ihany no natsahatra, fa ireo tena mpanapa-kevitra arovana? Tsy ilain’ny vahoaka, hoy hatrany izy, ny resaka amin’ny fahitalavitra, fa valiny mazava sy mangarahara, fanasaziana, ary fanavaozana hentitra no andrasana. Takiany ny fanadihadiana ara-pitsarana mahaleotena, tatitra nankatoavin’ny OMS sy ny Vokovoko Mena, fanampiana haingana ho an’ireo fianakaviana tra-pahavoazana, onitra sy sazy hentitra ho an’ireo tsy nanatanteraka ny andraikiny,... . Mitaky fahamarinana sy rariny ny fanajana ireo niharam-boina. Manan-jo ny Vahoaka Malagasy hanana hoavy ahafahany misitraka fanjarian-tsakafo, rano fisotro madio, famatsian-jiro, ary fahasalamam-bahoaka azo antoka, ity loza ity tokony ho fiandohan'ny fiovana lalina: Fanjakana miaro sy miasa ho an’ny vahoaka, hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.