Marc Ravalomanana

«Tsy nandeha iny aferana boing 777 iny raha tsy baiko farantampony !»


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Tsy vitan’ny olona iray nampiditra sy nanao hosoka ara-taratasy iny

fa nisy baiko nidina iny matoa vita. Tsy mora ny mampandalo boeing 777 miisa 5 be izao nampidirina any Iran », hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nahitsy ny tenany nilaza fa ny zava-doza dia ny endrik’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao no tena afa-baraka, ka tsy voavidy vola izany. Tsy misy izay tsy niantso sy nilaza hoe : inona ity ataonareo ao Madagasikara ? Firenena efa fantatra fa atao ankivy na saziana no nanaovantsika an’izao, ka tena zavatra saropady. Efa lazaina fa voasazy ny Iranianina, ary izay Firenena mitsikombakomba aminy dia voasazy avokoa. Nanamafy i Marc Ravalomanana fa tsy tafiditra ireny raha tsy nisy baiko avy any amin’ny Farantampony satria ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar teo aloha dia izaho no nanendry azy tao ary nanontaniako daholo ny mombamomba ny ACM sy ny Minisitra izay mitantana azy, ka samy nilaza fa tsy vitan’olon-tokana ny mampiditra an’izany eto, hoy ny fanehoan-keviny izay nanipika fa ny Minisitra manaraka baiko fotsiny. Mbola manohy ny fanadihadiana ny any Etazonia, ary tsy maintsy ho fantatra avokoa, hoy hatrany io Filoha teo aloha io. Nanizingizina i Marc Ravalomanana fa tsy marina ny filazana hoe : tsy mahalala an’io ny Filoham-pirenena. « Diso izany, ary tena sahy aho miteny an’izany », hoy hatrany izy. Manoloana ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina fa voasambotra ny olona miisa 2, dia nilaza i Marc Ravalomanana fa na hosamboriny daholo aza ny olona maro be izay fanodinkodinana ny sain’ny olona entina ialana fotsiny, dia tsy hanala azy izany io », hoy i Marc Ravalomanana. Nilaza tamim-pahatokisan-tena i Marc Ravalomanana fa tsy ho vita hatreo io, ary tsy holazaiko aminareo, hoy izy, hoe iza no niantso ahy omaly, fa nisy hoe : ampitao any aza: aleo mba tsy ny vahoaka Malagasy no hosaziana. Tsy fanao ary fady ny tahaka izao, ka nampahatsiahivan’i Marc Ravalomanana fa tamin’ny adin’i Irak izay tao anatin’ny fotoana nitantanany, dia nanaovan’ny Firenena ankivy sy ady, ka nahazo baiko ireo mpitondra eran-tany hoe : miray hina ny Firenena rehetra. Rehefa nilaza ny ONU miaraka dia tsy maintsy atao. Tsy azo hamaivanina ny sazy, misy efa mihatra. Isan’ny mafy ny fampitotonganana ny sandam-bola. Nanamafy ity Filoha teo aloha ity, fa tena zava-dehibe ny ady amin’ny kolikoly sy ny Fanjakana tsara tantana, ary tsy ho tafavoaka raha tsy tena manam-piniavana amin’io. Momba ny fitaterana an’habakabaka amin’ny ankampobeny, fanontaniana napetrak’io Filoha teo aloha io ny hoe : Firy ny fiaramanidintsika taloha, nanana « flottes » firy ? Ary firy izao ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT