Actualités

Marc Ravalomanana Mitaky ny fanafahana an’i Arphine


  • Talata 14 Aprily 2020

Noho izao Fetin’ny Paska izao dia miarahaba sy mankahery anao aho sy ny ankohonako, na mafy aza ny hoentinao,

 

 

 

 noho ny famonjana tsy ara-drariny mihatra aminao, mizaka ny zavatra tsy natao, hoy ny hafatra avy amin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ho an'i Arphine Rahelisoa. Jesosy Kristy ilay nandresy ny fahafatesana anie hitondra fandresena ho anao amin’izao mahazo anao izao ary izahay dia hanampy sy ho eo anilanao hatrany, mitaky ny fanafahana anao tsy misy fepetra. “Ary fantantsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana”. Romana 6: 9, hoy ny teny fankaherezana noraisina tao anatin’ny baiboly. Ho Paska famonjena sy lavitry ny tahotra ho antsika tokoa ny nankalazaina androany, hoy hatrany i Marc Ravalomanana nandritra ny fetin’ny paska ny alahady teo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT