Actualités

Marc Ravalomanana “Mila mihaona ny Praiminisitra sy ny Ben’ny tanàna”


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Raha haverin’ny fanjakana amin’ny kaominina ny SAMVA, ary homena ny kaominina ny andraikitra manala ny fako sy manadio ny tatatra, tsy manome mihoatra ny herinandro izahay, dia madio io.

Izaho no miteny ary manome antoka, hoy i Marc Ravalomanana omaly. Afaka mahatonga kamio 50 eto izahay, ary dabam-pako 255. Havereno aloha ny SAMVA. Tsy marina ny fitenenana fa ny kaominina no tompon’andraikitra sy ny filazana fa efa voafehy ny pesta. Vava sy fihatsarambelatsihy fotsiny izany, hoy izy. Ahoana no hifehezana ny pesta kanefa ianao aza tsy manome na iraimbilanja akory ? Tsy vitan’ny serasera fotsiny io, fa mila fitaovana sy olona, ary asa. Raha ohatra misy pesta tahaka izao, dia tokony hisy mihitsy ny vola hatokana hanaovana fanadiovana, fa tsy ilay olona kely sy mpianatra ery no hasaina mihetsika, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy maintsy sokirina avokoa ny lakandrano rehetra eto, tsy maintsy hesorina avokoa ny fako amin’ireny dabam-pako ireny. Tonga teto Madagasikara avokoa ireo mpanolotsainy manokana taloha nisy 5, ary niresaka tamin’ny minisitra Alema izy. Nilaza io tompon’andraikitra io fa vonona ny hanampy ny Alema. Nisy avy amin’ny sehatra tsy miankina ihany koa nilaza fa manana fitaovana ara-pahasalamana. Teo ihany koa ny Ambasadaoron’ny vondrona Eoropeanina.

Mila miara-miasa

Azo atao tsara ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fokontany, saingy izao dia tsy afaka miteny satria ny fokontany azy, ary izay tenenin’ny kaominina, dia tsy raharahiana satria tsy ny kaominina no mibaiko fa ny lehiben’ny distrika. Manamafy i Marc Ravalomanana sy ny birao politikan’ny Antoko Tiako I Madgasikara, fa vonona hiady sy hanafoana io pesta io, vonona hanala ny fako,… Avelao izahay hiasa fa vita miaraka amin’ny vava io, hoy izy. Notsiahiviny ny FAR (Fanarenanana an’Antananarivo Renivohitra) fony izy ben’ny tanàna, izay niantso ny vahoaka ary nahazo 7 tapitrisa dolara isika tamin’izany. Ny fanentanana ny olona, raha tsy ianao mpitarika sy mpitondra no mampiseho hoe izao no hetsika hataontsika, manana fomba fijery sy fomba fiasa, ary manana fahaiza-manentana ny olona, fa hifanome tsiny, dia tsy hisy zava-banona eto. Vonona ny mpandraharaha rehetra, saingy matahotra amin’ny fanenjehana raha vao miseho. Raha tena vonona ny hiara-kiasa dia mifanatona ny praiminisitra Olivier Mahafaly sy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’ny zavatra hatao. Hadinoy any aloha ny resaka politika sy tsy fifankahazoana dia mifanatona fa tsy mifamely fotsiny sy manalabara-batana ery amin’ny masoivohon’i Alemaina ery, hoy Marc Ravalomanana. Tokony hihaona ny ben’ny tanàna sy ny praiminisitra, ary hadinoy aloha ny hoe TIM sy HVM, fa ny vahoaka ripaka ihany.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT