Actualités

Marary ny tontolon’ny asa tanana Mitaky Minisitera mahaleotena ireo mpanao asa tanana ao Ambositra


  • Talata 15 Jolay 2014

Mahatsiaro ho kamboty sy tsy misy mpijery ireo mpanao asa tanana ao Ambositra fa tsy mandeha ny tsena ary tsy mahita hazo fanao akora intsony

. Manana minisitera miahy azy ireo ny fitondrana saingy nambaran’ny mpanao asa tanana maromaro izay nitafa fohy tamin’ny “Tia Tanindrazana” fa lasa ambanin-javatra ny departemantan’ny asa tanana raha mitaha amin’ny vakoka.  Nandroso soso-kevitra ireto mpanao asa tanana ao Ambositra ireto ny tokony hanasarahana ity minisitera ity ka tokony hitokana ny asa tanana raha hafindra any amin’ny minisiteran’ny fizahantany ny vakoka. Manana olana maro ny mpanao asa tanana Malagasy, hoy ireto mpanao asa tanana ireto ka raha mbola miaraka amin’ny departemanta hafa dia ho lasa ambanin-javatra hatrany. Mahatratra 2 tapitrisa anefa ny Malagasy mivelona amin’ity asa ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT